Fanendrena an’Andriamatoa Pierre RAOELINA ANDRIAMBOLOLONA hitantana ny tahiry Famatsiam-bola Malagasy ho Fampiofanana ny mPiasa – FMFP

Ny fivorian’ny filan-kevi-pitantanana ny 22 Jona 2022 no nanapahana ny fandraisana an’Andriamatoa Pierre RAOELINA ANDRIAMBOLOLONA ho Tale Jeneraly hitantana ny FMFP. Izy araka izany no mandimby an-dramatoa Joséphine Soanorondriaka ANDRIAMAMONJIARISON. Notanterahina ny Alakamisy 30 Jona 2022 ny lanonana ofisialy ho fifamindram-pahefana teo amin’ny roa tonta tetsy amin’ny Hotel Ibis Ankorondrano. Nanatrika izany fotoana izany ireo mpikambana ao amin’ny fila-kevim-pitantanan’ny FMFP notarihin’ny Filohany, ireo mpiara-miombon’antoka teknika sy ara-bola ary ireo mpiasa rehetra eo anivon’ny Orinasa.

15 volana nifono fahombiazana ho an’ny FMFP

Azo lazaina fa Fahombiazana tanteraka  ho an’ny FMFP ny fotoana nitantanan-dRamatoa Joséphine Soanorondriaka ANDRIAMAMONJIARISON. « Tsy diso hevitra mihitsy ny filakevim-pitantanana nanendry azy hitantana tao anatin’izay vanim-potoana nitadiavana ny Tale Jeneraly izay », hoy Andriamatoa Noelison RABEARIVELO, filohan’ny filakevim-pitantanan’ny FMFP ankehitriny. « Olona tia mandray andraikitra izy. Tsy nijanona ho mpisolo toerana vonjimaika fotsiny ary tsy nifantoka fotsiny tamin’ny fampandehanan-draharaha tsotra. Ny tena marina dia maro ny zava-bitan’ny FMFP nandritra ny fotoana nitantanany azy. » Nandritra ny fe-potoana niasany tokoa no nanombohan’ny FMFP ny tetikasa mametraka ho laharam-pahamehana sy ho an’ny tombontsoam-pirenena na ny I.N.P eo amin’ny sehatry ny fahasalamana, ny fikirakirana ny lamba ary sehatry ny fanorenana. Fifanarahana roa vaovao momba ny famatsiam-bola FMFP ihany koa no nosoniavina niaraka tamin’ny Vondrona eoropeanina sy ny masoivohon’ny fampandrosoana frantsay, izay sady nanamafy ny firafitry ny Fikambanana.

Ny fandraisana andraikitra nataon’ity Tale Jeneraly vonjimaika ity koa no nidiran’ny FMFP nanatevin-daharana ny RAFRO, izay tambajotra mampivondrona ireo orinasam-pamatsiam-bola ho amin’ny fampiofanana ny mpiasa aty Afrika. Mandao ny eo anivon’ny ekipa mpanatanteraka izy, ary am-pahatokiana tanteraka no hanatanterahany izany. Hanohy ny toerany ao amin’ny filankevi-pitantanana izy ary hiantoka ny fitohizan’ny asa vita. Fanamby ho an’izay hisolo toerana azy, araka izany, ny fanohizana ny asa vitany. Ary mamela diam-penitra sy ny fahaiza-manao fakan-tahaka ho an’izay handimby azy izy.

Manohy ny diany ny FMFP

Maro ny zavatra andrasana amin’izao fahatongavan’ny tale Jeneraly vaovao an’ny FMFP izao. Raha tsiahivina, tany am-piandohan’ny fizotry ny dingana narahana ho amin’ny fandraisana izay ho tale jeneraly vaovao, dia hoy ny teo anivon’ny filakevim-pitantanana : « Tompon’antoka amin’ny vokatra sy ny kalitaon’asa atolotry ny ekipan’ny FMFP izay tale jeneraly manaraka eo, araka izany dia tokony hahavita hametraka fiaraha-monina tsara sy milamina eo anivon’ny fikambanana izy. Olona azo hifampiresahana tsara no andrasana ary afaka mamaly araka ny tokony ho izy ny filan’ireo orinasa sy mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola ».

Ankehitriny dia ho raisin’Andriamatoa Pierre RAOELINA an-tanana ny fitohizan’ny asa, hitondra rivo-baovao ho an’ny FMFP izy ary hiahy ny faharetan’ny fijoroan’ny orinasa ho an’ny taona maro ho avy. Tsy misy na kely aza ny fisalasalana amin’ny tsy hahatanterahany izany. Antoka amin’ny fahombiazany ao anatin’izao asa vaovao ho atrehiny izao ny fahaiza-manao sy ny traikefa nananany tao anatin’ny asa maro izay efa nosahaniny.

Fantany fa lehibe ny asa vitan’ny mpitondra teo alohany, ary tsy hisalasala izy hanohy izany. Hiezaka hanao izay tratry ny heriny ity mpitantana vaovaon’ny FMFP ity mba hanomezana fahafaham-po ireo izay nametraka fitokisana taminy. Hiezaka izy mba hahatonga ny Fikambanana hiavaka sy hisongadina hatrany. Ary hataony izay hampirehareha ireo mpiara-miasa aminy. Nandritra ny lahateny nataon’andriamatoa ANDRIAMBOLOLONA no nanasany ny mpikambana tsirairay eo anivon’ny FMFP hanohy hatrany ny asa miaraka, hanome ny tsara kokoa hatrany avy amin’ny tsirairay ary hifampitan-tsoroka amin’ny andraikitra izay sahanina. Manantena ny afaka hametraka fitokisana amin’izy ireo izy mandritra ny ezaka izay ho ataony hampamirapiratra ny Fikambanana. Singa iray izay tsy afaka hialana izany amin’ny fampandrosoana ny fahaiza-miasa eto Madagasikara.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *